Manahy aho Lyrics & Tabs by Mahaleo

Manahy aho

guitar chords lyrics

Mahaleo

Album : Compilation madagascar PlayStop

Manahy aho
Ho ataonao toy ny sary indray mipika
Na koa toy irony fasika hoentin-driaka

Ny foko tia ka tsisy fiarovana
Manahy ny ho ataonao fandalovana
Ho zary fahatsiarovana(2)
Ka tsara angamba dieny izao
Dieny mbola tia ahy ianao
Hoy aho hoe ny mety atao
Mifandao
Manahy aho
Ho ataonao toy ny aloka miserana
Na koa toa irony mamy tojo fahataperana
Ianao voky fitia fa natao tsara fahana
Izaho toy ny lovia avy nihinana

Na koa toa irony mamy tojo fahataperana
Ianao voky fitia fa natao tsara fahana
Izaho toy ny lovia avy nihinana
ho zary atosi-tanana(2)
FIV: ka tsara...
Tsy ho fahavalo
Fa hisaraka toy ny mpihavana
Ka ny mamy ihany no hifanodiavana
Ka raha hifankahita any aoriana any
Hiara-hitanisa ireo andro mamy
Toy ny fitia tsy mbola lany
Toy ny fitia tsy mety lany
FIV: ka tsara...

Like us on Facebook.....
-> Loading Time :0.0059 sec